Nahazo fanasana ofisialy avy amin’ny fitondram-panjakana indoneziana, hamangy an’Indonésie amin’ity taona ity i Papa François.

Tsy mbola voafaritra mazava ny fotoana hanatanterahana izany saingy heverina fa any ho any amin’ny volana septambra any ho any. Ankoatra an’i Indonésie dia mety ho vangian’i Papa François ny any Papouasie sy Nouvelle-Guinée ary Timor atsinanana. Na izany aza, tsy mbola nisy valinteny avy ao Vatican momba izay fanasana izay. Maro anefa no mangataka ny hamoahana avy hatrany ny daty, indrindra ho an’ny Sorona Maina ho tarihin’i Papa François miaraka amin’ny fivondronamben’ny eveka indoneziana, raha vao fantatra izany. Tsiahivina fa efa nisy ny hafatra nataon’i Papa ho an’ny mpino katolika any Indonésie tamin’ny volana aogositra lasa teo. Indonésie izay ivondronan’ny nosikely maro miisa 13.000 ary voafaritra ho firenena betsaka silamo indrindra maneran-tany. Maherin’ny 262 tapitrisa ny mponina ao any ka silamo ny 87 isanjaton’izany. Vitsy an’isa ny mpino katolika izay tsy misy afa-tsy 3 isanjaton’ny mponina. Papa fanintelony hitsidika an’Indonésie ny Papa François. Voalohany namangy an’io firenena io i Papa Paoly faha-6, tamin’ny taona 1970. Faharoa i Papa Joany Paoly faharoa tamin’ny taona 1989.    

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...