Mitondra ny anjara birikiny ho fanampiana an'i Chine amin'ny fiatrehana ny valanaretina entin'ny Coronavirus ny eo anivon'ny Fiketrahana Masina.

Nandefa tampim-bava miisa 700.000 any Chine ny ao Vatican ho fandraisany anjara amin'ny ady atao amin'ny fihanaky ny tsimokaretina. Nalefa mivantana any amin'ny faritanin'i Hubei misy an'i Wuhan izay toerana voalaza ho niandohan'ity valanaretina entin'ny coronavirus ity sy any Zhejiang ary Fujian ireo tampim-bava ireo. Nilaza ny talen'ny famoaham-baovao eo anivon'ny Fiketrahana Masina, Matteo Bruni, fa tsy mbola misy atahorana amin'ny mety hahatongavan'io valanaretina io any Vatican ankehitriny. Efa tafakatra 427 moa ny isan'ireo namoy ny ainy vokatry ny coronavirus, tato anatin'ny iray volana mahery niandohan'ny aretina ka any Chine avokoa ny 425 amin'ireo. Tompo-marika tamin'ny fandefasana ireo tampim-bava marobe ireo ny Kardinaly Konrad Krajewski (aumônier du pape) sy ny farmasian'i Vatican ary ny "Centre missionnaire de l'Eglise chinoise" any Italie.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 septambra 2026

• Nankalazaina omlay alahady ny Jobily faha-25 naha Eveka sy ny faha-40 taona naha Pretra an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Mahajanga... • Hanatanteraka fampiofanana ho an'ireo handimby toerana ny Birao Nasionaly, ny avy eo anivon'ny MDMK/CVX, amin'ity volana septambra ity... • Relijiozy Seleziana Don Bosco miisa 15 no manaraka fiofanana any Roma, hanao misionera...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...