Namerina ny fanasana an’i Papa François hamangy an’i CROATIE ny lehiben’ny governemanta croate Andrej PLENKOVIC.

Isan’ny nivoitra tamin’ny fihaonany tamin’i Papa tao Vatican, omaly, izany. Fihaonana izay naharitra 20 minitra teo ho eo. Nitohy tamin’ny dinika niarahana tamin’i Kardinaly Pietro PAROLIN sy Monseigneur Richard GALLAGHER izany avy eo. Voaresaka tamin’izany ny momba ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin’i Vatican sy Croatie, ho an’ny tombotsoa iombonana. Noresahana ihany koa ny anjara andraikitr’i Croatie izay mitantana ny filankevitry ny vondrona eraopeana ato anatin’ny enim-bolana voalohany amin’ity taona ity. Tsiahivina fa efa nisy ny fihaonana voalohany teo amin’i Papa François sy ity praiminisitra croate ity tamin’ny volana oktobra.  

[Miara-dàlana] Alatsinainy 12 ôktôbra 2026

• Notontosaina ny sabotsy 10 ôktôbra 2026 ny Ivon'ny Fankalazana ny faha-30 taonan'ny Radio Don Bosco... Nampirisika ny mpino rehetra hanatanteraka ny vavaka Raozery isan-tonkantrano ny avy eo anivon'ny Ekipan'ny Raozery Nasionaly... • Nanentana antsika ny Ray masina mba hizara ny hafaliana tena izy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...