Naneho ny firaisampony amin'ny vahoaka aostraliana manoloana ireo fahavoazana goavana ateraky ny doro tanety sy ny doro ala any Australie ny Papa François, tao anatin'ny Audience Générale tamin'ny alarobia 8 janoary teo.

Nangata-bavaka tamin'ireo rehetra nanatrika ny fotoana izy ho fanohanana ireo vahoaka misedra olana vokatry ny afo ireo. Tsiahivina fa efa tany amin'ny volana septambra lasa teo no niandohan'izao doro tanety sy ny doro ala any Australie izao ary mbola sarotra fehezina izany ankehitriny. Efa mahatratra hatrany amin'ny 8 tapitrisa hekitara ny velaran-tany may hatramin'izao. Miisa 26 kosa ireo olona namoy ny ainy ary maherin'ny 2 arivo ireo trano simba sy may. Ankoatra ireo dia isan'ny tena lasibatra ihany koa ireo karazan-javamaniry sy biby samy hafa miaina anaty ala, indrindra ireo isan'ny mampiavaka an'i Australie, toa ny kangourou sy ny koala.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 17 marsa 2025

• Namangy ny Aomoneria Katolikan'ny Oniversiten'Antsiranana, i Mgr Benjamin Marc Ramaroson omaly 16 marsa 2025... • Nosokafana omaly tao amin'ny Diosezin'i Morondava ny fankalazana ny faha-800 taonan'ny namoronan'i Masindahy François d'Assise ny “Cantique des créatures” na ny Antsan'ny zavaboahary... • Toerana iampitan'ny fahazavan'Andriamanitra ny tobim-pahasalamana, hoy ny Papa François omaly, tao anatin'ny fandalinam-pinoana nomaniny, nozaraina tao amin'ny tranonkalam-pifandraisan'ny Vatican...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...