Namerina indray ny fanentanana ny rehetra handalina ka hahatsapa ny maha zava-dehibe ny Sakramentan'ny Batemy i Papa François.

Andro vitsy mialoha ny 12 janoary, hanamarihana ny fahatsiarovana ny nanaovana Batemy an'i Jesoa dia nanamafy izay fanentanana izay indray ny Papa. Zahao, hoy izy, ny fahasoavana azo avy amin'io Sakramenta io ary aoka hahay hitondra izany amin'ny fiainana andavan'andro ny tsirairay. Isan'ny navoitrany tamin'ny fampianarana nandritra ny Audience Générale tao amin'ny efitrano Paoly faha-6 ao Vatican, ny alarobia 8 janoary teo, izany. Tokony ho tadidy, tahaka ny hahatsiarovana hatrany ny daty nahaterahana, hoy ny Papa, ny daty nandraisana ny Sakramentan'ny Batemy ka tsy ho hadinoina. Tokony ho tsaroana mandrakariva ka hisaorana an'Andriamanitra amin'ny fahasoavana entin'izany Batemy izany.

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...