Nampiantso kongresy ho an’ny tanora mpahay toekarena sy mpandraharaha, izay ho tanterahina any Assise, ny 26 hatramin’ny 28 marsa izao i Papa François.

Miisa 2 arivo any ho any ireo tanora avy amin’ny vazantany 4 handrasana handray anjara amin’izany. Tanjona amin’io fampihaonana tanora maro io, hoy ny Papa, ny hisian’ny fifampizarana momba ny resaka toekarena eo amin’nny mpandray anjara, mba tsy hamono na hanavaka na hanao tsinontsinona ny mahaolona izany fa vao maika handray an-tanana ny fiahiana ny voahary tsy ho voaroba. Andrasana amin’ny fiafaran’ireo kongresyy ion y fehin-kevitra iraisan’ny rehetra, hijerena ny ho avin’ny toekarena. Isan’ny tompo-marika amin’ny fikarakarana io kongresy io ny « dicastère » misahana ny fampivoarana ny mahaolona amin’ny ankapobeny eo anivon’ny Fiketrahana Masina. Hetsika ho an’ny tanora io ho tanterahina any Assise io, hoy andriamatoa Luigino Bruni, tale siantifikan’ny komity mpitantana izany. Famaliana ny hetahetan’ny tanora hihaona amina manam-pahaizana  maro sy hifaakalo traikefa eo amin’izay tontolon’ny toekarena izay. Miisa 12 ny zana-dohahevitra hifampizarana amin’ireo fotoana ireo ka isan’izany ny asa, ny tetibola sy ny mahaolona, ny fambolena sy ny fahamarinana, ny angovo ny fahantrana, ny fahasamihafana, ny politika sy ny hasambarana.

                                                                                                                         

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...