Nanatanteraka hetsika ho famalifaliana ny ankizy tsaboina ao amin'ny hôpitamin'ny ankizy "Bambino Gesù", ny zoma 17 janoary, ny "dicastère" misahana ny fampivoarana ny mahaolona manontolo sy io hôpitaly iandraiketan'ny Fiketrahana Masina io.

Hetsaika nahitana ny fandraisan'anjaran'ny tarika mpanao "cirque" Rony Roller izay mandalo ao Rome ankehitriny. Nosantarina tamin'ny Eokaristia Masina notarihin'ny Kardinaly Peter Turkson, préfet  an'io "dicastère" io sy ny sekreterany, Monseigneur Bruno-Marie, tao amin'ny lasapelin'ny hôpitaly ny fotoana. Entina hanamaivanana ny aretina mahazo ireo zaza sy ankizy tsaboina ao amin'io hôpitaly io no tanjona amin'izao famalifaliana azy ireo izao, hoy ny Kardinaly Turkson. Nisaotra sy nankasitraka ireo mpanao "cirque" ireo ny talen'ny hôpitaly tamin'ny nitondrany hafaliana ho an'ireo marary sy ny fianakaviany ary ny mpitsabo sy ny mpiasan'ny hôpitaly mifarimbona amin'ny fikarakarana azy ireo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 septambra 2026

• Nankalazaina omlay alahady ny Jobily faha-25 naha Eveka sy ny faha-40 taona naha Pretra an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Mahajanga... • Hanatanteraka fampiofanana ho an'ireo handimby toerana ny Birao Nasionaly, ny avy eo anivon'ny MDMK/CVX, amin'ity volana septambra ity... • Relijiozy Seleziana Don Bosco miisa 15 no manaraka fiofanana any Roma, hanao misionera...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...