Ny "Fankahatry" dia lahabolana malagasy, tsy mifidy fotoana ny fanaovana azy. Ny "Fankahatry" dia mitovitovy amin'ny lahabolana "Ampitsonteny na Vôlantô na Hainteny" fa ny miavaka kely an'iry voalohany dia izy miseho eo amin'ny fifampiresahan'ny tovolahy sy tovovavy mifamboraka fitia. Ny Fankahatry dia lahabolana fanaon'ireo Betsimisaraka ary noho izany dia amin'ny fiteny Betsimisaraka. Any amin'ny faritra atsinanana amin'ny nosy no misy ny foko mpanao ity lahabolana ity...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...