Ny "korambe" dia lahabolana entina hiresahana ny zava-misy amin'ny endrika kanto, mety ho hatsikana ihany koa. Ny "korambe" dia miainga amin'ny fanontaniana ary mety hiafara amin'ny fanontaniana ihany koa ; ny tantara fohy ao anatiny dia manakaiky kokoa ny marina sy ny zava-misy, mifandraika amin'ny fiainana andavanandro. Ny "korambe" dia karazan-dahabolana miendrika tantara fohy fanaon'ny foko betsimisaraka-avaratra. Ny fotoana fanaovana ny korambe dia rehefa miasa eny antsaha, rehefa mipetrapetraka an-tanàna amin'ny antoandro na hariva na koa rehefa miari-tory amin'ny alina...