Andriandramaka dia malagasy voalohany nandranto fianarana tany ivelany, ary ihany koa malagasy voalohany natao batemy. Ny Mpanjaka Tsiambany no rain'i Andriandramaka, nanjaka tao amin'ny nosy Fanjaira, Taolagnaro. Andriandramako dia zanaka lahiaivo, nalain'ny mpanjanaka Portugais am-pitaka ary nentiny nandranto fianarana tany Goa-Inde noho ny fifanarahana ara-taratasy nataon'ny rainy sy ilay Kapitenin-tsambo Paolo Rodriguez. Telo taona no faharetan'ny fianarana nataon'Andriandramaka tany Inde...