Ny manjanaka Portugais dia nametraka paik'ady sy fanjanahana ara-tsaina, fa ny Frantsay dia fanjanahan-tany no nimasoany tamin'ny alalan'ny fandrobàna sy famonoana olona, fambaboana tany. 182 taona no nanjanahan'ny Frantsay ny mponina tao Taolagnaro. 376 taona lasa izany niorenana ny Egilse tao Taolagnaro. Tsy ny Frantsay rehetra nalefa namita iraka teto Madagasikara no ratsy fa nisy maromaro izy ireny no nitondra soa ho an'i Madagasikara. Nanombohan'ireo mpanjanaka ny fidirana teto Madagasikara ny fanorenana toeram-piantsonana lehibe teo amin'ny nosy...