Ny "Mikea" dia niantsoana ilay "ala voajanahary" mbola lavitry ny tavy sy ny fitrandrahana samihafa, fa taty aoriana noho ny tosika nahazo ireo foko (Masikoro, Mahafaly) nanodidina io ala io dia nitsofoka nitady fierena sy sakafo tao izy ireo, ireto farany no lasa nantsoina hoe "Mikea". Ny Mikea dia olona niaina tamin'ny fihazàna, fiotazana, tsy nampiasa vilany fa nahalala sy nampiasa afo. Ny toerana misy ny Mikea dia iny faritr'i Toliara II hatrany Morombe iny. Ireo Mikea dia efa mifandray amin'ny olona sy ny fandrosoana ary ankehitriny dia sady misy fampitana ny soatoavin-drazany no manovo ny fampianarana môderina izy ireo...