Andriamamilaza dia olona nalaza taorian'ny fotoana nanjakan'Andriamasinavalona. Ny faritra nisy azy dia tany Analamainty, faritra anakazondandy-Mangamila-Anjozorobe, ary nalevina ao Anjohy. I Andriamamilaza dia lehilahy mpimasy, nanana fahendrena sy hakingan-tsaina ary nahay sy nahafehy ny zava-boahary manodidina azy sy ny fiaraha-monina. Izy no nitsapa sy naka fanahy ireo zanak'Andriana tao amin'ny faritr'Imerina efatoko, tamin'ny alalan'ny famangiana isam-paritra ka nitondrany ireto zavatra ireo ho fitsapana : Hazo tsotsoraka, tantely velon-dreny, ary volontsangana-tsy vaky...