Ny "andriana" avy amin'ny teny sanscrite midika hoe "ambony" na hoe "voalohany". Ny maha andriana dia tsy mifototra loatra amin'ny volon-koditra na toetry ny volo, fa amin'ny toetra amam-panahy kosa; ny andriana dia olona ambony manana ny hajany sy fahefana, iankinan'ny olona maro, to teny. Ny nipoiran'ny andriana dia avy any India, nanodidina ny taonjato faha-XVI. Tamin'ny taonjato faha-XVIII no nidiran'ny Andriana teto Madagasikara tany amin'ny faritr'i Maroantsetra. Ny faritra sy foko maro eto Madagasikara dia samy ahitana andriana. Ankehitriny dia amin'ny alalan'ny fanomezana mari-boninahitra no hanomezana haja olona...