Nanana fahendrena ny Ntaolo tamin'ny fampiasana ity mpampitohy "AMANA" ity, matetika dia mampitohy teny roa mitovy hevitra, amin'ny sehatra maro lafy. Taratra ao amin'izany fa matanjaka ara-kevitra kokoa ny teny voalohany noho ny faharoa ampitohizina aminy, ohatra "Masoandro amam-bolana" eto ny heviny dia entina hilazana ny ray aman-dreny ka ny masoandro no ray ary ny reny no oharina amin'ny volana. Tany aman-danitra : ny tany no niteraka ny lanitra. Tany ama-monina : ny tany izay faritra no nisy nialoha vao teraka ny fiaraha-monina teo amboniny. Zanaka aman-jafy : tsy nisy ny zafy raha tsy hary ny zanaka...