Tamin’izany andro izany, nony tafita ny ranomasina i Jesoa sy ny mpianany dia tonga tao amin’ny tanin’i Geraseny ; ka vao niala tao an-tsambo kely Izy, dia intý nisy lehilahy anankiray azon’ny fanahy maloto avy tany am-pasana nanatona Azy. Tany am-pasana izy io no nitoetra, ary tsy nisy olona nahatana azy am-patorana intsony na dia tamin’ny gadra aza, fa matetika no nafatotra tamin’ny gadra sy tamin’ny rojo vy ny tongony aman-tanany, nefa nopotehiny ny rojo vy ary notapahiny ny gadrany, ka tsy nisy olona nahafolaka azy. Ary mandrakariva dia any am-pasana sy any an-tendrombohitra any foana izy no mirenireny na andro na alina, sady minananana no mandrà-tena amin’ny vato. Fa nony nahatazan-davitra an’i Jesoa izy dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany, ary niantso tamin’ny feo mahery hoe : “Moa mifaninona izaho sy Ianao, ry Jesoa Zanak’Andriamanitra Avo indrindra ? Mifona aminao amin’ny Anaran’Andriamanitra re aho, aza dia mampijaly ahy”, satria i Jesoa efa nanao taminy hoe : “Mivoaha amin’itý lehilahy itý, ry fanahy maloto.” Ary nanontany azy Izy nanao hoe : “Iza no anaranao ?” Dia novaliany hoe : “Lejiona no anarako, fa betsaka izahay.” Ary nifona dia nifona taminy izy mba tsy horoahiny hiala amin’izany tany izany. Ary eo akaikin’ny tendrombohitra dia nisy kisoa betsaka, andiany iray, nihinana, ka nangataka taminy ireo demony nanao hoe : Alefaso izahay ho any amin’ny kisoa mba hiditra ao aminy. Dia nekeny. Ka nivoaka ny fanahy maloto, dia niditra tao anatin’ny kisoa, ary rifatra nivarina teny amin’ny hantsana ho any amin’ny ranomasina ny kisoa andiany iray, tokony ho roa arivo, ka maty tao amin’ny ranomasina. Dia nandositra ny mpiandry azy ka nilaza izany tany an-tanàna sy teny an-tsaha ; ary nivoaka ny olona hizaha izany zavatra izany. Nankany amin’i Jesoa izy ireo, ary nahita an’ilay azon’ny demony (izay nisy lejiona) nipetraka sy nitafy lamba ary nanan-tsaina, ka raiki-tahotra tery. Nony nolazain’izay nahita tamin’izy ireo izay nahazo ilay azon’ny demony sy ny kisoa, dia nihanta tamin’i Jesoa izy ireo, mba hiala amin’ny taniny. Ary nony niakatra teo an-tsambo kely Izy, dia niangavy taminy ilay azon’ny demony mba hanaraka Azy ; fa tsy navelany izy, fa hoy Izy taminy : “Andeha ihany mody any an-tranonao any amin’ny havanao ka lazao aminy izay zava-dehibe nataon’ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao.” Dia lasa izy ka nampiely tany Dekapôly ny zavatra rehetra nataon’i Jesoa taminy, ary gaga ny olona rehetra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...