Nomarihana ny 28 septambra teo ny andro eran-tany iadiana amin’ny haromontana. Mila manamafy ny fitandremana ny faritra maro eto amintsika fa ahitàna ny aretina haromontana mahazo ny biby mafàna rà toa ny alika sy ny saka any amin’izy ireo. Dia ny eto amin’ny faritra Analamanga, Vakinakaratra, Sofia, Itasy, Bongolava, Betsiboka, Atsinanana ary Androy...
Loharanon’aina sy fanantenana ho an’ny hafa sy ho an’ny tontolo iainantsika isika. Manasa antsika handinika ny fiovana manomboka ao am-po. Rehefa mahatsapa ny ratran’ny tontolo sy ny fijalian’ny hafa isika, dia antsoina hanova ny fomba fijery sy ny fomba fiainantsika, ka hamela ny “Rano velona” hikoriana amin’ny fifandraisantsika sy ny fihetsika ataontsika. Manana lanja eo amin'ny fiainana ny rano, izay indrindra no ilàna fiaraha-mientana amin'ny fiarovana ny tontolo iainana, amin'ny fomba fitantanana ny rano ara-drariny. Mifamatotra ny fitarainan’ny tany sy ny fitarainan’ny olona, indrindra ireo marefo, io no ilàna ny fiovana ao am-po...
♦ Nambaran'ny filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika Randrianirina Michaël fa noho ny fisian'ny hasoparana ataon'ny olombelona no mahatonga ny herinaratra tsy ho ampy eto Madagasikara. Manao ezaka tsy mitsahatra ny Fanjakàna sy ny JIRAMA... ♦ Nanolotra ny taratasy manendry azy ho masoivoho vaovaon'i Frantsa hiasa sy honina eto Madagasikara tamin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika Andriamatoa Jean Marc Grosgurin... ♦ Anton'ny fahamaroan'ny fanjifàna sy teknika no mahatonga ny internet ho miisatra sy ratsy kalitao hoy ny Ministry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra, efa nisy ny dingana tamin'ny fampidinana ny sarany...
Misy singa mampihavaka firenena iray, misy hita maso, ary misy koa ny ren'ny sofina. Ny fototra miisa telo maha firenena ny tany iray dia ny tany, ny teny ary ny tantarany ; famantara hita maso ny sainam-pirenena ary ny ren'ny sofina kosa dia ny hiram-pirenena. Ny fampiasana ny tenim-pirenena no isany hanehoana ny fiandrianam-pirenena amin'ny fotoan-dehibe toy ny fivoriana iraisam-pirenena maro samihafa sy fifanankalozana ara-diplômatika. Ny fahamarinana sy ny fandalàna izany no tena maha-olombanona sy maha olon'ny finoana, ary mampivoatra, ombana firaisan-kina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco