Ianareo no fanasin'ny tany, ianareo no fahazavan'izao tontolo izao ; sahia miroso amin'ny lalina, mijoroa ka mamiràta, mamahara mba hanasoa olona ary mikatroha mba hifanohana sy hifampitantana ho amin'ny tsara kokoa hatrany. Ny tany manana ny satany, ny vohitra manana ny hasiny, ary ny olombelona manana ny mampiavaka azy, tohy aina no iraka ho antsika fa tsy fanangonana harena, mahatsara antsika ny miaina amim-pahitsiana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

• Tany amin'ny 238 km avaratra andrefan'i Besalampy no nisy ny foiben'ilay rivodoza FYTIA tamin'ny 3 ora tolakandro teo. Vinavinaina hiditra an-tanety eo anelanelan'i Tambohorano sy i Soalala izy anio alina, na rahampitso maraina... • Efa tafapetraka ireo mpikambana mandrafitra ny Filankevi-pitantanana eo anivon'ny CNaPS. Ny talata 3 febroary 2026 no hanomboka ny fahafahana manatitra antontan-taratasy ho an'ireo maniry ho Tale Jeneraly vaovaon'ny CNaPS... • Tsy mankasitraka ny fitakian'ny antoko politika sasany, handrava ny andrim-panjakana misy ankehitirny ny antoko Fy-M. Mampidi-kizo an'i Madagasikara hiditra any amin'ny famaizana iraisam-pirenena indray izany, hoy ny filohany...

Efa mahay mandray fanapahan-kevitra amin’ny fampivoarana ny fidiram-bola any aminy ny fikambanan’ny tantsaha eto amintsika. Tsy mianona amin’ny lalam-pihariana nifotorany hatramin’izay fa mitady lalam-pihariana fanampiny. Isan’izany ny fikambanana Miara-Mizotra Boeny ao Ambatoboeny sy ny Soa Mitambatra Amoron’i Mania.

• Tany amin'ny 262 km avaratr'i Besalampy ny nisy ny foiben'ilay rivodoza Fytia, raha ny fampitam-baovao avy amin'ny Météo tamin'ny 11 ora antoandro teo... • Miisa 83 ireo mararin'ny MPOX sitrana rehefa nivoaka ny hopitaly, raha ny tatitra omaly... • Misitraka "forages" miisa roa ireo mpianatra eny amin'ny Polytechnique Vontovorona. Natolotra sy notokanana androany izany...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...