Lafim-piainana iray ny fahasalamana ka hamaritàna tanjona dia ny fanenana ny toaka sotroina. Raha "manena" no teny nosafidiana dia mbola misotro izany fa ny fatra no nihakely, izany hoe mbola tsy tapaka ny fiankinandoha. Io no mamaritra ny lanjan'ny fiankinandoha, mila mazava: firy no laninao isan'andro na isan-kerinandro na isam-bolana? Inona no mitranga mahatonga anao hanapa-kevitra hampihena ny fisotroana ?...

 

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...