Tsy ny mpianatra irery ihany no miaina ny vanim-potoanan'ny fanadinana fa eo koa ny raiaman-dreny sy ny mpampianatra ary ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny. Nisy fihatoana ny fampianarana nandritra ny fotoana nahamafy ny hamehana ara-pahasalamana, fa fanararaotra ireny nanaovana tombana ny zava-bita sy naminavinana ny ho avy. Ny tanora dia mila manao ezaka amin'ny lafiny rehetra, ohatra ara-batana, ara-tsaina, ary arahina vavaka mba hiatrehana am-pitoniana ny fanadinana...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...