Mila vehivavy salama sy matanja-tsaina ny ankohonana. Andry iankinan'ny tokantrano sy ny fiaraha-monina ary ny firenena ny vehivavy. Ireo fambara fa mikorontan-tsaina ny vehivavy na misy olana :  Kizintina, mitaintaindava, fizana tsy amin'ny antony, tsy fahatsiarovan-tsaina mandalo, tsy fahitan-tory. Ny fandaminana ny fotoana no vahaolana amin'izany miampy ireo sakafo sy fihetsika dia ny fihinanana sakafo misy siramamy, fisotroana rano ary ny fifohana rivotra madio sy ara-dalana... 

[Miara-dàlana] Zoma 1 aogositra 2025

• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...