Ny vaksiny dia fanomanana ara-biolojika izay hampidirina amin'ny olona mba ahafahana manetsika sy mampitombo ny herifiarovana ao anatin'ny vatan'ny olombelona. Fomba roa afahana mampiditra ny vaksiny amin'ny olombelona iray ka hatsindrona na hampidirina avy any am-bava. Ny vaksiny dia natao hisorohana aretina iray na hampitomboana ny herifiarovana. Mivoatra hatrany ny vaksiny hatramin'ny taon-jato faha-X nahitana sy nampiasàna azy voalohany... 

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...