Ny "fibrome myome" dia fivontosana eo amin'ny nofo mamono ny tranonjaza, satria ity farany dia misy fonony. Io fivontosana io  dia tsy mivadika ho homamiadana mihitsy. Ny antony mety hatonga io fivontosana io dia mety ho fikorontanan'ny tsirim-panentana ; metsaka loatra ny tahan'ny "oestrogène" na tsy ampy ny "Progestérone". Mety ho antony ihany koa ny fihinana na fiosorana vokatra misy "oestrogène"...

Ireto misy antony hafa : Mihoatra lanja ilay olona, ankizy tonga fotoana aloha loatra, fisotroana alikaola be loatra. Fambara : mandeha ra ivelan'ny fadimbolana, mikorontana ny fahatongavan'ny fadimbolana, manana olana amin'ny fivalanana izany hoe mitohana, mandeha ra be loatra, mahatsiaro vizaka amin'ny faritry ny ranjo sy ny fe...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...