Tamin'ny sabotsy 16 oktobra 2021 no nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny sakafo, indrindra ny ara-pahasalamana. Hita fa manana olana amin'ny lafiny fisakafoana ny olona ankehitriny. Ny atao hoe sakafo ara-pahasalamana dia voalanjalanja, mifanaraka amin'ny filàn'ny vatana sy ny asa andavanandro. Tao anatin'ny dimy na enina taona izay dia nampidirin'ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka tao anatin'ny tatitra fanaon'ny isam-bolana ny antotan'isan'ny olona tratry ny fahalebiazana loatra...

Ny sakafo ara-pahasalamana dia tokony ahitàna : glucides, protides, lipides, vitamines ; sakafo madio sy vaovao, vokatra ara-biolojika ary indrindra tsara nahandro.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...