Nanatevi-pahalalana nandritra ny telo andro tao Betsitaisana, Fokontany Tsimiambolahy ao amin'ny Kaominina ambanivohitra Fihaonana, Distrika Ankazobe, amin'ny alalan'ny fiofanana, ireo tantsaha miara-miasa amin'ny Fikambanana "Tsiky Tsika".

Tanjona kendrena tamin'ny fampiofanana ny fampivondronana ny tantsaha misitraka ny tohana ataon'ny Fikambanana, mba hisian'ny firaisan-kina sy ny fifanankalozana traik'efa amin'ireo teknika voizin'ny Fikambanana. Kendrena ihany koa ny famahàna ireo olana atrehan'izy ireo amin'ny tontolo famokarana hoy Ramatoa Rakotobe Miora Nirina Iangotiana, Filohan'ny Fikambanana Tsiky Tsika sady mpandrindra ny tetik'asan'ny fikambanana.

Nisy ny lohabary an-dasy iarahana amin'ireo mahay sy zatra momba ny tontolo eny ambanivohitra, ka Andriamatoa Faly Rafieferana no nanazava ny tsara ho fantatra momba ny fahaleovan-tena sy ny fampandrosoana tamin'ny andro voalohany. Toko telo tsy afa-misaraka ny fanabeazana, ny fahaleovan-tena ary ny fampandrosoana. Tsy ho  tratra ny fampandrosoana raha tsy mahaleo tena amin'ny  lafiny maro ny olona tsirairay hoy Andriamatoa Faly Rafieferana. Tsy ho azo anefa izany raha tsy lavorary koa ny fanabeazana atolotra azy...

Manentana sy mampiofana an'ireo tantsaha hahaleo tena amin'ny seha-pihariana ilofosany ny Fikambanana Tsiky Tsika. Amin'ny alalan'ny fizaràna ireo haitaom-pamokarana samihafa ho an'ny mpamokatra no fomba hanaovana izany. Nanatsara ny velon-tenan'ireo tantsaha resy lahatra ny fampiharana ny haitaom-pamokarana nozaraina taminy, isan'izany Andriamatoa Randrianandraina Victor sy Ramatoa Rasoavola Jacqueline samy monina ao amin'ny Fokontany Tsimiambolahy, Kaominina Fihaonana, Distrika Ankazobe.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...