Maro ny voka-pikarohana azo ampiasaina amin'ny fandrosoana taorian'ny nijoroan'ny sehatra momba ny fikarohana sy ny fampianarana ambony miara-miasa amin'ny ala sy ny harena voajanahary na ny DPFB. Sehatra ivondronan'ny FOFIFA, ny oniversiten'Antananarivo ary ny CIRAD izay manambatra ny heriny ho an'ny fikarohana sy ny fanofanana momba ny lohahevitra fitahirizana sy ny fanomezan-danja ny harena voajanahary eto Madagasikara ny DPFB izay efa 20 taona nijoroana...

isan'ny voka-pikarohana natao ny momba ny tsiperifery. Ankafizin'ny teratany vahiny ary misokatra amin'ny lalam-barotra any Eraopa ny tsiperifery, na ny dipoavatra dia, zav-maniry fanao hanitra tsy fahita raha tsy eto Madagasikara. Mitady ho lany tamingana nefa izy io noho ny fomba fihotazana azy ka nahatonga ny mpikaroka ao amin'ny sehatra momba ny fikarohana sy ny fampianarana ambony miara-miasa amin'ny ala sy ny karazan-java-boahary na ny DPFB nikaroka fomba ahafahana mitrandraka maharitra azy. Efa azo atao ny mamboly azy amin'ny tontolo vaovao foronina fa tsy voatery anaty ala intsony hoy Profesora Andrianoelisoa Hanitra, talen'ny departemantan'ny fikarohana momba ny ala ary ny fitantanana ny harena voajanahary ao amin'ny FOFIFA.

Ny hamaha ny olana roa lehibe mianjady amin'i Madagasikara no fanamby : Ahitàna ireo karazan-java-boahary maro tsy fahita raha tsy eto Madagasikara ny ala ao aminy. Tandindomin-doza nefa izany harena izany ankehitriny ary tokony arovana ho tombontsoan'ny taranaka ho avy. Faharoa tokony hivoaka ao amin'ny fahantrana mahazo azy ny malagasy ary ny fanomezan-danja ny harena voajanahary no ahafahana manampy azy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...