Manana ny anjara toerany amin'ny sehatry ny fiompiana akoho sy famokarana atody eto amintsika ny Kaominina Ambanivohitra Antanetibe-Mahazaza atao amin'ny Distrika Ambohidratrimo, Faritra Analamanga. Mivoaka ao amin'ity Kaominina ity avokoa ny 30% hatramin'ny 40% ny atody jifaina eto Madagasikara. Atody 200.000 hatramin'ny 300.000 isan'andro no mivoaka ao amin'ny Kaominina.

Miantoka ny fiharian'ny mponina ao amin'ny Kaominina ny lalam-pihariana ka isany antony nanatanterahana ny FESTIVAL DES OEUFS na ny FETIN'NY ATODY andiany voalohany ny 07 hatramin'ny 09 ôktôbra 2022 lasa teo hoy Dokotera Rakotonomenjanahary Louis Firmin, Ben'ny Tanàna Antanetibe-Mahazaza.

Miparitaka amin'ny Faritra maro eto amin'ny nosy ny vokatra atody ao Antanetibe-Mahazaza. Ny eto Analamanga, mankany Toamasina, Fianaratsoa hatrany amin'ny Faritra Anosy dia ny ao Taolagnaro. Manampy tosika ny firoboroboan'ny lalam-pihariana ny fahavitan'ny lalana mampifandray an'i Mahintsy sy Antanetibe-Mahazaza izay manara-penitra tokoa ankehitriny.

Tamin'ny taona 1958 no nanombohan'ny fiompiana akoho tao Antanetibe-Mahazaza. Mbola fianakaviana 05 no nanao ny fiompiana tamin'izany fotoana izany izay tao Antsahalova sy Ambohitraivo. Maherin'ny 300 kosa ankehitriny ireo mpiompy akoho mpanatody lava sy fakana nofo mivondrona anatin'ny Kaoperativan'ny mpiompy akoho sy mpamokatra atody-kaoperativa 2A...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...