Manana ny teboka zeôdejika ho azy avokoa ny Faritra 23 rehefa tafapetraka ny an'ireo Faritra miisa 07 farany. Maherin'ny 205 tapitrisa Ariary no natokan'ny AD2M (Appui au Developpement de Menabe et Melaky) ametrahana azy. Apetraka amin'ny Faritra miisa 07 mbola tsy manana azy ny teboka zeôdejika. Fitaovana ahafahana mahazo ny sarin-tany avy amin'ny zan-bolana mba ho azo ampiasaina amin'ny lafiny fananan-tany. 

Nosoniavina teny amin'ny Foiben-toeran'ny Tahirim-bolam-pirenena ho an'ny Fananan-tany na ny FNF eny Ambodimita-Antananarivo renivohitra ny 10 febroary 2023 ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin'ny tetik'asa tohana ho an'ny fampandrosoana an'i Menabe sy Melaky na ny AD2M, ny FNF ary ny Foiben-Taontsarintany na ny FTM ahafahana mametraka ireo teboka zeôdejika ireo ho an'ny Faritra Menabe, Melaky, Atsimo-Andrefana, Atsimo-Atsinanana, Ihorombe, Vatovavy ary Fitovinany... Mamatsy vola ny tetik'asa ny AD2M, vatsian'ny FIDA vola. Hametraka ny teboka zeôdejika ny FTM ary hanao ny fandrindrana ankapobeny sy hanara-maso ny fametrahana azy ny FNF...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...