Ketsa Saraka, na fafy saraka, ahazoana 10 taonina isaky ny hektara ny fampiharana ity teknika fambolem-bary nokarohany ity hoy jeneraly Rabemanantsoa Robert. Milonjehatra ny salohim-bary eny an-tanimbarin'i jeneraly amin'izao volana avrily izao. Tsy ho ela dia hampiaka-bokatra izy. Manam-boninahitra ambony misotro ronono nanana andraikitra ambony tao amin'ny tafika malagasy tamin'ny fotoan'andro ; liana tamin'ny voly vary.

Noporofoin'ny jeneraly Rabemanantsoa Robert fa tsy ny fiovan'ny toetr'andro akory no ho sakana sy olana tsy hamokarana, fa ilaina dia ilaina ny saina tia karokaroka hamolahana ny haitaom-pamokarana mba afahana mahazo vokatra tsara. Nampihariny ny fikarohana noketrehany dia ny ketsa saraka na ny fafy saraka. Teknika azony an-tsaina noho ny fiaraha-miasa sy ny fifampiresahana tamin'i Mopera Henry de Laulanier, saingy nohatsaraina taty aoriana, ary nampihariny tamin'ny taom-pambolena telo nifanesy izao.

15 taonina isaky ny hektara ny voka-barin'ny jeneraly Rabemanantsoa Robert tamin'ny taom-pambolena voalohany ary inoana fa tsy ho latsak'izany amin'ity taona ity. Volana novambra no nanetsa izy ka ny ketsa saraka no nampiasainy. Notondrahana ny vary voaketsa mandra-pirotsaky ny orana. Nampiasaina ihany koa ny zezika kankana izay tena nampiroborobo ny voly vary. Mandifitr'olona mantsy ny haavon'ny vary eny an-tanimbary.

Mifanindran-dalana amin'ny fahalalana momba ny fiainan'ny vary ity ketsa saraka ity. Mila mahafantatra izay fiainan'ny vary izay ny tantsaha raha te hampitombo ny voka-bary ka hisarihan'ny jeneraly Rabemanantsoa Robert hampihatra ny teknika. Olana mbola mila vahana eto Madagasikara.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...