Tratra ny fanamby napetraka tamin'ilay tetik'asa "Tontolo voajanahary lovain-jafy amin'ny ilany Atsinanan'i Madagasikara" raha ny momba ny fahafahan'ny tantsaha niatrika ny fiovan'ny toetr'andro nofaritana tamin'ny taona 2022. Tetik'asa madinika miisa 174 no natao nandritra izany. Tokantrano 17.800 mahery no nisitraka fampiofanana momba ny teknika fambolena lovain-jafy. Nihoatra lavitra tamin'ny tanjona nofaritana no tratra, taha hatrany amin'ny 153%. Amporisihana ireo tantsaha hanao ny voly mampidi-bola sy voly atao  sakafo mba hisorohana ny fanapotehana ny ala hanamaivanana ny fahasahiranana vokatry ny fiatraikan'ny COVID-19 sy ny fiovan'ny toetr'andro.

Amporisihana ny tantsaha hanao voly hanatsaràna ny nofon-tany sy hanao ny fameloman-tena hoy Dokotera Zolalaina Rakotobe, tompon'andraikitra avy ao amin'ny Conservation Internationale. 

Niisa 127 ireo mpisafo ala ifotony nanaraka fiofanana raha toa ka 26 no nofaritana. Manodidina ny 229.000 Ha ny velaran'ala voasafon'ny vondrona olona ifotony raha toa ka i100.000 Ha no nofaritana. Afaka manao fitsirihana 30.000 Ha mahery ihany koa ny "drone" na ireny fitaovana manidina baikon-davitra ireny. Voakasiky ny tetik'asa ankoatra izay ny sekoly ahafahan'ny mpianatra any amin'ny EPP, CEG ary ny Lycée mahazo sahady ny ady atao amin'ny vokatry ny fiovan'ny toetr'andro.

Nizara ny zava-bita, nanolotra ny paik'ady sy ny sehatr'asa hatao amin'ny manaraka tamin'ireo mpiara-miombon'antoka eny ifotony ny tompon'andraikitra eo anivon'ny tetik'asa "Tontolo voajanahary lovain-jafy amin'ny ilany Atsinanan'i Madagasikara". Fihaonana fanao in-droa isan-taona ka natao ny 19 avrily 2023 teo teny amin'ny Hotel Colbert ao Antananarivo Renivohitra ny fivoriana atrik'asa voalohany tamin'ity taona ity...

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...