Voalohan'ny volana jona, andro eran-tany ho an'ny ronono. Andro anentanana ny olona rehetra mba hisotro sy hihinana na hanjifa ny vokatra avy amin'ny ronono. Nanomboka tamin'ny taona 2001 no nivohy azy io ny Sampandraharahan'ny firenena mikambana misahana ny sakafo sy ny Fambolena na ny FAO fa ny taona 2017 isika teto Madagasikara vao nanomboka nankalaza azy voalohany noho fitarihana nataon'ny Malagasy Dairy Board na ny MDB sy ny ministera nisahana ny fiompiana tamin'izany fotoana izany ary dia notohizana taty aoriana...

Nanara-dia an'ireo firenena 49 teo alohany nanamarika ny andro eran-tany ho an'ny ronono i Madagasikara nanomboka ny taona 2017. Hetsika roa no nentin'ny MDB nankalaza izany andron'ny ronono izany androany, miaraka amin'ny mpiara-miombon'antoka aminy dia ny Vondrona Eraopeana, amin'ny alalan'ny tetik'asa vatsiany vola, ny Profit Lait.

Voalohany ny fanentanana ny ankizy any an-tsekoly amin'ny mahazava-dehibe ny fisotroana ronono ka ny EPP teny Ambohimiandra ao amin'ny boriborin-tany faharoa Antananarivo-Renivohitra no nanaovana izany. Narahan'ny fanokafana Ivon-toerana fanangonana sy fivarotana ny vokatra avy amin'ny Ronono ao Mandroseza, izay toerana fahadimy eto Antananarivo sy ny manodidina manangona sy mandray ny ronono vokarin'ny tantsaha, taorian'ny tao Anosizato-Andrefana, ny eny Antohomadinika, ny any Mahitsy ary ny eny Imeritsiatosika.

Mbola manafatra vovo-dronono manodidina ny 3.500 taonina isan-taona hanampiana ny vokatra i Madagasikara. Mbola tsy ampy 26 tapitrisa litatra mantsy ny ronono eto amintsika. Ronono vokarin'ny omby vavy be ronono 8.000 isa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...