Misedra fahasahiranana goavana ankehitriny ny lalam-pihariana akoho manatody lava sy ny fakàna nofo. Tsy mitsahatra mitotongana tao anatin'ny taona vitsy ny fihariana ho an'ireo mpiantsehatra. Miakatra ny mason-karenan'ny famokarana, saingy tsy mifanaraka amin'ny vidim-bokatra eny an-tsena noho ny fahefa-mividin'ny mpanjifa. Manampy trotraka ny fiakaran'ny vidin-katsaka, ankora fototra amin'ny sakafon'ny akoho...

Nahatratra 2.700 Ariary ny vidin'ny iray kilao tamin'ny volana marsa sy avrily lasa teo. Betsaka ireo mpiompy no nanena ny akoho ompiany hatrany amin'ny 50% ary tsy vitsy ireo niala an-daharana ka nivadika sehatr'asa hafa. Mananosarotra ny fahitana ny katsaka amin'izao fotoana izao noho ny tolotra tsy ampy.

Mbola ambany ko any taham-panjifàna eto amintsika miohatra amin'ny firenena hafa any ivelany. Atody 20 isan-taona no jifain'ny malagasy iray amin'ny ankapobeny raha toa ka atody iray, isan'andro, isan'olona no fenitra napetraky ny OMS. 2,5 kg isan-taona isan'olona kosa ny fanjifàna ho an'ny hen'akoho raha efa 14 kg isan'olona isan-taona amin'ny salan'isa maneran-tany. Manampy trotraka ny lafiny ara-ketra.

Manao antso avo amin'ny Fanjakàna hijery akaiky ny olana mahazo azy ireo ny vondron'ny mpisehatra amin'ny lalam-pihariana akoho manatody lava sy fakàna nofo na ny IPA Madagasika.

Amperin'asa manatsara ny saha-pihariana ifotorany ny vondron'ireo mpiantsehatra amin'ny lalam-pihariana akoho manatody lava sy fakàna nofo na ny IPA Madagascar (InterProfession Aviaire de Madagascar). Nijoro tamin'ity taona ity, rafitra iray ity ary ivondronan'ny fikambanan'ny mpiompy, ny mpaninjara ny akora sy fitaovana, ny mpamokatra ny sakafom-biby ara-indostrialy ary ireo orninasa mpamatsy zanak'akoho. Manana tanjona hampivoatra ny lalam-pihariana ho matihanina kokoa ny IPM Madagascar hoy ny filohany ary manana vina fiompiana akoho mivoatra sy voafehy.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...