Papa Bio na Papa Basile, tantsaha mpamokatra, misehatra amin'ny asa fampandrosoana ny eny ambanivohitra any amin'ny faritr'i Itasy, indrindra ny ao amin'ny distrika Soavinandriana. Mifototra amin'ny fambolena biolojika izy, mikaroka haitaom-pamokarana samihafa koa amin'ny fomba ahazoana izay vokatra biolojika izay.

0 : 00

Manamboninahitra ambony tao amin'ny tafika malagasy efa misotro ronono Andriamatoa Ranaivoarison Basile na i Papa Bio. Nanangana ny fikambanana Lanja Miakatra. Nahatsapa izy fa sahirana ny ankamaroan'ny malagasy tantsaha. Izay no antony hanatonana ny tantsaha mba ahafahana manofana azy ireo. Tanjona ny hampivoarana ny fiainany, ka hatarafany izay fiainana lanja miakatra izay.

Ireo olona sahirana no navondrona tao anatin'ny fikambanana tany ampiandohana. Nahazo fihofanana samihafa izy ireo. Nisy ny nanao asa tanana. Tao ireo nifototra tamin'ny fambolena. Ny fikambanana ihany no nikaroka ny fihofanana ilain'ireo mpikambana sy ny fomba anatanterahana izany.

Manana tanjona hafa momba ny fiarovana ny tontolo iainana ihany koa ny fikambanana. Namorona fatana mitsitsy Papa Bio, fatana mitsitsy efa vita sedra tany amin'ny foibem-pikarohana iray eto amintsika ny fahombiazany. Fatana tena mitsitsy no iantsoana io asa karoka nataon'i Papa Bio io. Nahavita arina fandrehitra amin'ny endriny hafa ihany koa izy taty aoriana. Afapio tamin'ny fampiasana ireny voka-pikarohan'i Papa Bio ireny ny mpanjifa.

Amin'ny fambolena indray, be loatra hoy Andriamatoa Ranaivoarison Basile ny sakafo misy akora simika jifain'ny malagasy. Mivohy ny fampiasana ny zezika kankana ahazoana vokatra tena biolojika hoan'ireo mpikambana ao aminy ny fikambanana Lanja Miakatra. Tsy mampiasa anam-pamokarana misy akora simika intsony ny tantsaha mpikambana ankehitriny. Ho fitandroana ny fahasalaman'ny mpanjifa no tanjona voalohany kendrena amin'izany. Mahomby ity fomba famokarana iray ity. Tsara ny vokatra azo. Misokatra ny lalam-barotra. Fahombiazana no azo hoy Papa Bio.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...