Nahazo vokatra tsara amin'ny fikarohana nataony momba ny zezika kankana Andriamatoa Ranaivoarison Basile na i Papa Bio. Nivoatra dia nivoatra mantsy ny vokatra azo na tamin'ny fiompiana kankana na ny famokarana zezika ary indrindra ny vokatr'izany tamin'ny fampiharana azy amin'ny fambolena...

Tsy mena-mitaha amin'ny zezika biôlôjika hafa ny zezika kankana fikarohana nataon'ny Lanja Miakatra hoy Papa Bio. Nahazo tombontsoa tamin'izany ny mpikambana rehetra nanaraka fiofanana tao aminy. Tombontsoa tamin'ny fihatsaran'ny vokatra ary indrindra tamin'ny fahatsaran'ny fidiram-bola isam-pianakaviana.

Miantso ny manam-pahaizana momba ny fambolena Andriamatoa Ranaivoarison Basile, toa izany koa ny tompon'andraikitra misahana ny fambolena ary indrindra ireo mpikaroka, mba hifanakalo traik'efa hisian'ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra. Misokatra hatrany ny varavarana hoy i Papa Bio.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...