Mamaha olana amin'ny fahasahiranana ara-bolan'ny mponina eny ambanivohitra, ny fanaovan'izy ireo ombona tahiry ifampisamborana na ny GVEC. Nanana traikefa efa ho valo taona tamin'izany ny fikambanana “Fanantenana”, ao amin'ny Fokontany Antandrokomby, Kaominia Mahitsy, ao amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo.

Fikambanana nijoro tamin'ny taona 2014, ary tantsaha mitovy fijery no nanangana azy. Nomen'izy ireo anarana “Avotra fahatelo” ity GVEC-n'izy ireo ity. Hanamaivanana ny fahasahiranan'ny mpikambana amin'ny fahitana vola entina mikarakara ny fotoam-pambolena lehibe sy ny ara-tsôsialy toa ny fidiran'ny mpianatra, no antony nananganana azy.

Nisafidy hanangana GVEC izahay, hoy Andriamatoa Raobijaona Alain Bruno, Filoha mpitarika ny fikambanana, satria manahirana anay ny mindram-bola any amin'ireny banky sy rafitra fifampiraharahana ara-bola madinika ireny. “Eo aloha ny tahan-janabola alaina, ambony loatra ho anay tantsaha, fa eo ihany koa ny antoka takiana aminay mialoha”.

Namaha ny fahasahiranan'ny mpikambana ny fananganana ny GVEV, hoy Ramatoa Razafindranampy Jeanne, mpikambana nijoro ho vavolombelona tamin'ny traikefa azon'ny fikambanana.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...