Maro amintsika no efa mahalala ny voka-tsoa avy amin’ny ravintsara fantatra amin’ny anarana ara-tsiansa hoe : Cinnamomum camphora. Manasitrana aretina maro noho ireo singa ahafahana mitsambo hita ao anatiny ity zavamaniry iray ity. Manadio ny tontolo iainana. Loharom-bola fanampiny ho an’ny tokantrano ho an’ireo vehivavy mamboly azy araka ny fanazavan’ny filohan’ny Vovonana Ravintsara Dokotera Razafinakanga Alice.

0 : 00

Efa nisahana ny andraikitra Ministry ny Asam-panjakàna sy ny Asa ary ny Lalàna Sosialy nandritra ny governemanta Andrianarivo Tantely, ny taona 1999 sy 2000 nandritra  Repoblika fahatelo ny Dokotera Razafinakanga Alice. Niezaka hatrany nanandratra ny lalam-pihariana Ravitsara teto Madagasikara tamin’ny fomba maro samihafa izy sy ny fikambanana najorony ampiroboroboana ity zava-maniry manana ny anjara toerana ity.

Sarobidy ho an’ny fahasalamana ny ravintsara, hoy Dokotera Razafinakanga Alice ka tsy azo tsinontsinoavina ny fambolena sy ny fampiroboroboana azy. Miady amin’ny gripa, ny fanaintainan’ny nofo, ny rarintsaina ny fampiasana ny ravintsara raha tsy hitanisa afa-tsy ireo. Miavaka ny ravitsara ambolena eto amintsika noho ny singa maro sy tsara hita ao antiny.

Noho ireo zava-tsoa entin’ny ravintsara ho an’ny fahasalamana ireo, maro ny firenena manafatra ny vovoka sy ny loha-menaka azo avy aminy. Mivelatra ny lalam-barotra. Mampidi-bola ho an’ny tantsaha maro milofo aminy indrindra ny vehivavy satria loharanom-bola fanampiny ho an’ny tokantrano ny fambolena azy. Mamporisika ny vehivavy hamboly ravintsara eo an-tokontaniny ny Dokotera Razafinakanga Alice na dia fototra iray ihany aza. Mamaha olana ao an-tokantrano ny vola azo avy aminy. Misakafo tsy tapaka ny ankohonana. Mianatra sy manana fitaovam-pianarana feno ny ankizy.

Tsy tokony hiandry ny hetsika fankalazana ny andro eran-tany ho an’ny 08 marsa ny vehivavy vao hahatsapa hamboly hazo fa atomboka ao an-tokantrano amin’ny fiainana andavanandro izany. Ankoatra ny vola azo avy amin’ny fambolena ity hazo ity dia manadio ny tontolo iainana ihany koa ny ravintsara, hoy ny Dokotera Razafinakanga Alice. Ny rivotra iainana izay efa voaloto amin’ny ankapobeny indrindra ho an’ny tontolo an-drenivohitra. Azo atao tsara ny manao zaridaina eo an-tokontany ka tsy hadino ny mamboly ravintsara. Efa fanao ho an’ny renivohitra eran-tany izany.

Amin’ny maha filohan’ny fikambanana azy, manao atso avo amin’ny fitondram-panjakana hijery akaiky ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy ny Dokotera Razafinakanga Alice. Mirongatra mantsy izany raha tsy hiteny afa-tsy ny fanolanana. Manentana  ny fiaraha-monina hanana fitondran-tena tsara ihany koa izy ka tokony halavirana ny teny ratsy izay tsy fanabeazana mihitsy ny taranaka.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...