Manana ny anjara toerany amin’ny fihariana sy ny toekarena eny ambanivohitra ny fiompiana sy ny famokarana tantely. Manodidina 10.300 ny isan’ny mpiompy araka ny tarehimarika tamin’ny taona 2012, ary nisy zanatohatra tantely iray hetsy teo ho eo kosa nanerana an’i Madagasikara. Miovaova ny lanjan’ny vokatra nahondran’i Madagasikara.

Nanondrana tantely 93 taonina tamin’ny taona 2014 i Madagasikara. 87 taonina ho an’ny taona 2019. Nitombo 180 taonina indray tamin’ny taona 2021. Nidina indray nefa izany ny taona 2022. Tombanana ho 4.000 taonina ny vokatra tantely eto amintsika amin’ity taona 2024 ity hoy ny EDBM. Faritra 16 amin’ny 23 no azo iompiana tantely eto amintsika. Miankina amin’ny fisian’ny ala ny fepetra ahafahana manao izany.

Noho izay fanararaotra ny famokarana tantely izay, mampiroborobo ity lalam-pihariana ity amin’ireo fikambanana ao aminy ny tambazotran’ny Sendikan’ny Orina Ambanivohitra na ny Réseau SOA. Teknisiana sy tantsaha mpampita avy amin’ny fikambanana miisa roa eto Analamanga no nisitraka fiofanana momba ny fiompiana sy ny famokarana tantely ho an’ny teto amin’ny Faritra Analamanga ny volana febroary 2024 lasa teo. Fikambanana miisa telo kosa ho an’ny tany amin’ny Faritra Diana.

Nanohana ny fahafahan’ireo tantsaha ireo nisitraka izany fampiofanana izany ny FFF FAO. Tanjon’ny FFF ny ananganana zotram-pihariana sy rojom-pihariana azo avy amin’ny ala ka ny fiompiana tantely no omena sehatra manokana amin’ity taona ity, ahafahana manangana orinasa madinika eny ambanivohitra.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...