Mivelona amin'ny fambolena sy ny fiompiana ao anatin'ny Distrikan'i Faratsiho Faritr'i Vakinankaratra i Nantenaina Casimir. Niofana manokana momba ny fitsaboana izy saingy nisafidy ny ivelona amin'ny fambolena sy ny fiompiana. Tanora nanovo fahalalana tao amin'i Papa Bio na Ranaivoarison Basil i Nantenaina Casimir. Kankana 2 tanana teo ho eo tao amin'i Papa Bio no niatombohany, roa taona lasa izay.

 Ankehitriny, efa mahatratra 20 kg ny kankana ao aminy ary mamokatra zezika kankana 70 hatramin'ny 80kg isan-kerinandro ny lehilahy amin'izao fotoana izao.

Manentana ny tantsaha namany hanao ny famokarana ara-biôlôjia i Nantenaina Casimir. Ny famokarana ara-biôlôjia amin'ny alalan'ny fampiasana ny zezika kankana dia fomba iray hiantohana ny fahasalamana mantsy hoy ity tanora ity ny fanaovana izay famokarana ara-biôlôjia izay ka tokony haparitaka ihany koa.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...