Misedra olana amin'ny fanondranana ny vokany ny kaoperativa Taratra avy Analanjirofo amin'izao fotoana izao. Manomboka miditra amin'ny fanondranana ny voly fanondrana ifotoran'izy ireo mantsy ity kaoperativa ity ankehitriny saingy betsaka loatra hoy ny tompon'andraikitra ny pitsopitsony vola aloa noho ny lamina misy.

Nahitsy Andriamatoa Noarison Nicoltat tompon'andraikitra ara-teknika ao amin'ny kaoperativa Taratra nilaza fa tsy hahazoana tombony ny asa fanondranana ataon'izy ireo raha izao no mitohy. Misy fiatraikany amin'ny fidiram-bolan'ny tantsaha sy ny ho avin'ny famokrana hoy izy, raha tsy voavaha ny olana misy.

Misedra olana ihany koa ny kaoperativa amin'ny famoaham-bokatra. Ratsy mantsy ny ankamaroan'ny lalana any amin'ny toerana mamokatra ao Analanjirofo.

Manana vanila 24 taonina ny kaoperativa Taratra Analanjirofo, Jirofo 240 taonina, Letisia 1.200 taonina, Poivre 10 taonina ary Cannelle 100 taonina. Samy itadiavana lalam-barotra avokoa ireo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...