Mbola nametrahan’ny mpifidy ny fitokisany indray hitantana ny tranoben’ny tantsaha mpampokatra nasionaly mandritra ny dimy taona manaraka ny filoha ankehitriny, RAZAFIMBOLOLONA Angeline. Natao ny 30 Aogositra 2024 teny amin’ny CFFAMA Nanisana ny fifidianana mandrafitra ny birao nasionaly eo anivon’ny tranoben’ny tantsaha...

Nahazo vato 55 tamin’ireo 71 nandrotsa-bato ny filoha amperin’asa nandritra ny fifidianana. Faritra 18 no nahatonga solontena efatra avy, nandray anjara. Ramatoa RAZAFIMBOLOLONA Angeline manana traik’efa amin’ny fitantanana rafitry ny tantsaha lehibe toa itony. Efa filoham-paritry ny vovonam-pikambanana nandritra ny 10 taona. 10 taona ihany koa no nitantanana vovonam-pikambanana eran’i Madagasikara ary 5 taona nintantanana ny tranoben’ny tantsaha. Tantsaha mpamokatra masomboly ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony ihany koa izy. Asa miandry an-dramatoa RAZAFIMBOLOLONA Angeline ny hahatanteraka ny satan’ny tranoben’ny tantsaha mpamokatra nasionaly ho antenimieran’ny Fambolena, ny fiompiana ary ny jono.

Mifameno ny sehatr’asan’ny tranoben’ny tantsaha sy ny ministeran’ny Fambolena sy ny fiompiana hoy ramatoa RAKOTOARISON Mitia Finoana, tale misahana ny fanapariahana ny haitao teknika sy ny ahamatianina ny mpamokatra, nisolo tena ny ministera nanatrika ny fifidianana natao androany teny Nanisana..

 

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...