Nanatevina ny fahalalany momba ny fiovan’ny toetr’andro ireo mpikamban’ny filankevi-pitantanan’ny Réseau SOA miara amin’ireo tanora tompon’andraikitra ao aminy. Fihofanana natao Ilafy ny 20 Novambra 2024 ka ireo iraka avy amin’ny AFDI, fikambanan’ny tantsaha avy any Frantsa, no nizara ny traik’efa sy ny fahalalana. Noresahan’ireto iraky ny AFDI ireto ohatra ny antony mahatonga ny fiovan’ny toetr’andro, ny fisehoany amin’izao fotoana izao, ny fiatraikany amin’ny famokarana eran-tany ary isan’izany ny eto Madagasikara, ny tokony hatao hiatrehana ny voka-dratsiny...

 Nanomboka ny taona 2000 no nahatsapàna izay fiovana izay raha toa ka mifandanjalanja ihany ny entona karbona avoakan’ny indostria sy ny trohan’ny zava-maniry. Nanomboka ny taona 2000 mantsy no nihazakarazabe ny firoboroboan’ireo firenena misandratra ara-toekarena ka nahabe ny fitomboan’ny entona karbona nivoaka, etsy ankilany nefa tsy nitsahatra nihena ny ala noho ny fandripahana samihafa. Nitombo ny hafanàn’ny tany ka nitarika voka-dratsy maro amin’ny lafiny famokarana izany. Isan-taona, tsy mitsahatra mamboly hazo ny mpikambana ao amin’ny Réseau SOA hiadiana amin’izay voka-dratsin’ny fiovan’ny toetr’andro izay. 50 hektara isan-taona eo ho eo ny zanakazo volen’izy ireo. Lasa fahazana hoan’ny tantsaha mpikambana ny fambolen-kazo hoy ny Talen’ny Réseau SOA Gerard ANDRIAMANDIMBY.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...