Mitohy ny fikarohana ataon'ny mpikaroka amin'ny fomba iadiana amin'ilay aretim-bary malazo ravina BLB sy mitsipika amin'ny ravina BRS, miparitaka amin'ny faritra maro eto amin'ny nosy. Tsy mbola hita ny fanafody fa mitady an'ireo karazam-bary mahatohitra ny aretina ny teknisianina mpikaroka amin'izao fotoana izao...

Misy ny karazam-bary 30 anaovana andrana, vary izay misy eto Madagasikara, ahafantarana ny vary mahatohitra ireo aretina ireo.

Tamin'ny taona 2019 no nahitana ny BLB teto Madagasikara ka tombanana ho bakteria tany Azia tao Inde no tonga teto amintsika. Tamin'ny taona 2012 no voamarina fa nisy teto amintsika ny BRS na dia efa nisy teto Madagasikara am-polo taonany maro aza io aretina io. Tsy misy fiatraikany amin'ny fahasalaman'ny olona ihany koa ny fihinanana vary tratry ny BLB sy ny BRS hoy ny mpikaroka ao amin'ny FOFIFA Antsirabe, Harinjaka RAVELOSON.

Maro ny karazan'aretina mahatonga ny aretim-bary saingy ireto karazany miisa 2 ireto dia bakteria no mahatonga azy. Tsy avy amin'ny bibikely koa no mahatonga ny aretina.

Miteraka fahaverezam-bary 15% hatramin'ny 70% ny aretim-bary malazo ravina sy mitsipika amin'ny ravina arakaraky ny karazam-bary sy ny toetr'andro hoy hatrany ny teknisianina.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...