Noresahina nandritra ny diniky ny Mpamokatra nokarakarain'ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Nasionaly teny Nanisana tao Antananarivo renivohitra tamin'ity volana janoary ity ny momba ny fiovaovan'ny toetr'andro... 

♦ Miatraika amin'ny fiharian'ny tantsaha amin'ny faritra samihafa eto amin'ny nosy ankehitriny ny vokatry ny fiovaovan'ny toetr'andro, raha tsy hiteny afatsy ny fahataran'ny rotsak'orana ka mampihemotra ny fanombohan'ny taom-pamokarana. Manana andraikitra mikaroka vahaolana ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Nasionaly ka nikarakara dinika niarahan'ireo mpiantsehatra avy amin'ny lafivalon'ny nosy nifanakalozan-kevitra ny amin'ny tokony hatao hiatrehana izay fiovaovan'ny toetra'andro izay ny 15 janoary teo... ♦ Vahaolana naroso nandritra ny dinika ny mpamokatra ny fampifanarahana ny zavatra atao amin'ny fiovan'ny toetr'andro, dia ny fampiakarana ny teti-bola natokana ho an'ny orana iniana arotsaka ka ny tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra no mampahafantatra ny toe-javatra misy ahafahana mandritra izany. Tokony zaraina ny tany sy ny zana-kazo ka samy mikarakara ny azy ary atao ny fifaninana momba izany. Avondrona ny Mpamokatra ahamora ny fanentanana, ny fampahafantarana, ny fampihofanana ary ny fanampiana samihafa azony sitrahana sy famoaham-bokatra. Raha atao anefa ny fambolen-kazo dia karazan-kazo tsy mahamaina ny tany no tokony volena...  

[Miara-dàlana] Zoma 1 aogositra 2025

• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...