Havaozina hifanaraka amin'ny toe-java-misy amin'izao fotoana izao ny paik'adim-pirenena ho an'ny fampiroboroboana ny voka-bary eto Madagasikara na ny SNDR. Fanamby ny kendrena ny ahatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafon, ny hamerenana sy ahatonga an'i Madagasika ho sompitra aty amin'ny faritry ny ranomasina indiana sy ny manodidina... 

Tamin'ny alalan'ny atrik'asa natao teto an-drenivohitra no nandinihana ireo sehatr'asa tokony ovàna mba hifanaraka amin'ny politika ankapoben'ny Fanjakàna amin'izao fotoana izao. Atrik'asa natao ny 26 janoary 2021 nandraisan'ireo mpisehatra amin'ny lalam-pihariana vary anjara manomboka any amin'ny Mpampokatra hatrany amin'ny mpivarotra... Omena sehatra ao anatin'izao paik'adim-pirenena izao ny fampandraisana anjara bebe kokoa ny fahefana miainga eny ifotony, ny kaominina sy ny distrika any amin'ny faritra tsirairay avy, ahafahan'izy ireo mampiroborobo ny voka-bary any aminy. Ny fivoaran'ny teknolojia ihany koa tsy adino ao anatin'ity paik'adim-pirenena ity hoy ny ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono, Ranarivelo Lucien.

Fiaraha-miasa teo amin'i Madagasikara sy ny fiaraha-mientana ho an'ny fampiroboroboana ny fambolem-bary aty Afrika na ny CARD no nahafahana namolavola ity atrik'asa nandinihana ny paik'adim-pirenena ho an'ny fampiroboroboana ny voka-bary ity... Nitondra ny anjara birikiny ihany koa ny mpiara-miombon'antoka toa ny sampan-draharaha iraisam-pirenena japoney misahana ny fampandrosoana na ny Jica... 

[Miara-dàlana] Zoma 1 aogositra 2025

• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...