Nahavory olona maro ny andro voalohan'ny foara iraisam-pirenena ho an'ny toe-karena eny ambanivohitra na ny FIER MADA andiany faha-22, tanterahana eny amin'ny kianjan'i Makis Andohatapenaka ao Antananarivo-Renivohitra. Foara nanomboka ny alarobia 04 aogosiatra hatramin'ny alahady 08 aogositra ho avy izao.

Trano heva an-jatony no hita eny Andohatapenaka, misy an'ireo vokatry ny tantsaha avy amin'ny faritra samihafa eto amin'ny nosy, ny mpandraharaha, ny tetik'asa, hatramin'ny departemanta samihafa... Hita taratra amin'izao andiany faharoa amby roapolo izao ny fahavononan'ny tantsaha hanandratra ny toe-karena eny ambanivohitra na dia misedra olana toa ny fihariana samihafa aza ny tontolo eny ambanivohitra...

Nanokatra izany tamin'ny fomba ôfisialy ny FIER MADA faha-22 tanterahana eny amin'ny kianjan'i Makis Andohatapenaka ny ministry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, Ranarivelo Lucien... Miandrandra lalam-barotra vaovao mandritra ny 5 andro ny tantsaha mampiranty ny vokany eto Antananarivo... Isan'ny misedra olana toa ny seha-pihariana hafa mantsy ny fihariana eny ambanivohitra noho ny fihenan'ny lalam-barotra vokatry ny krizy ara-pahasalamana.

Miavaka tamin'ny andiany hafa teo aloha ny fomba fiasa tamin'ny FIER MADA andiany faha-22, tanterahana eto an-drenivohitra hoy ny filoha mpanorina Jacques Ramanantsoa. Noezahana ny hananan'ny tantsaha toe-tsaina mahaleo tena amin'ny sehatr'asa ataony...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...