Nampihatra fomba fambolena voatabia nohatsaraina, ahazoana vokatra haingana ao anatin'ny fotoana fohy ary mandava-taona, mampihena ny vola mivoaka amin'ny fividianana masomboly ny fikambanana Lanja Miakatra... 

 Teknika ampiharina vokatry ny fikarohan'ny tantsaha mpikambana ao amin'ny Lanja Miakatra tarihan'Ingahy Papa Bio na Andriamatoa Ranaivoarisoa Basile. Teknika ahazoana vokatra mandava-taona. Indray mandeha ihany no mampiasa masomboly fa ny solofonà voatabia maniry indray avy eo no afindra sy ambolena amin'ny zezika kankana raha te hanao fambolena vaovao dia toa izany hatrany.

Mamokatra ao anatin'ny fotoana fohy ny voatabia ambolena amin'ity teknina iray ity, ary betsaka lavitra amin'ny fomba fambolena nahazatra ny tantsaha hatramin'izay ny vokatra azo avy aminy. Biolojika tanteraka mahasalama, maharitra tapa-bolana mahery ny voan'ny voatabia tangosana fa tsy toa ireny tahirizina telo na efatr'andro ireny dia efa lo tsy azo ampiasaina.

Azo ampiharina amin'ny voly apemba na ny sorgo ihany koa ity teknika amin'ny fambolena voatabia ity, ka afaka mampiaka-bokatra in'enina isan-taona raha toa ka in-droa ihany ny mahazatra hatramin'izay. Teknika hampitombo ny vokatra ny fambolena amin'ny alalan'ny solofonà voatabia na ny apemba.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...