Zava-dehibe amin'ny fiaraovana ny ala sy ny zava-boary ao aminy ny fisafoana ny aty ala. Manana andraikitra mikasika ny fisafoana ny aty ala ny Ong Durrell, araka ny nambaran'Andriamatoa Mandimbihasina Angelo Ramy. Ny Ong Durrell dia fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakàna, miaro ny karazana aina ahiana ho lany tamingana izay manana ny foibeny any Jersey.

Tamin'ny taona 1986 no tonga teo Madagasikara ny Durrell ka ny fampitomboana taranaka ny angonoka tao Ankarafantsika no nataony voalohany, avy eo, nihitatra tamin'ny fiarovana ny aty ala. Miasa miaraka amin'ny vondron'olona ifotony ny Durrell, any amin'ny faritra maro.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...