Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Niompana indrindra tamin'ny fanamafisana ny fomba fiasan'ny Justice et Paix sy nijerena ny zava-misy manerana ny Nosy izany : tsapa ary fa mahantra ny ankamaroan'ny Malagasy nefa ahitana otrikarena maro i Madagasikara ambany sy ambonin'ny tany ary eny andranomasina: vato sarobidy sy haingon-trano, vatosoa sy mineraly indostrialy, kraomita, mikà, grafita, zircon, ilmenita, nikela, kobalta, vy, titane, uranium, varahina, volamena, arina, vatosokay, gypsum, quartz piezo elektrika, diamondra, merikiora, safira, sns. Fasika tsy fahita firy eto amin'ny faritra maro toa ny any Ampasimanjava, tsy adino ny fanangonam-bolamena tranainy tao Betsiaka akaikin'Ambilobe, any Maevatanana sns...ka mihazakazaka mankaty Madagasikara ireo firenena mpitady tombotsoa ohatra ny Frantsay izay nilaza ampahibemaso ny faniriany, ny Japoney, ny Amerikanina, ny Aostraliana, ny Sinoa... Harena lehibe nirina hitondra fandrosoana hialàna amin'ny fahantrana ny vokatry ny tany (vanila, kakao, kafe...), vokatry ny ranomasina (ekonomia manga..) nefa indrisy lavitra ny fivoaranaandrasanano hita sy tsapa.
Andaniny misy ny fitrandrahana gaboraraka sady manary ny harena no manimba ny tontolo iainana ary tsy manaja ny maha-olona Malagasy. Ankilany misy ireo orin'asa miezaka manara-penitra amin'ny fanajana ny
maha-olona sy ny tontolo iainana. Manoloana izany dia manamafy ny Justice et Paix fa: “Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro"Efa misy ny fitrandrahana ireo otrikarena saingy olom-bitsy no misitraka izany ka mahatonga elanelana goavana eo amin'ny samy Malagasy. Lasa tsy harena ny harena eto amintsika noho ny tsy fisitrahan'ny besinimaro azy. Ny fitrandrahana tsy ara-drariny sy tsy ara-dalàna dia mampitombo ny kolikoly amin'ny sehatra rehetra ary anisan'ny anton'ny fahantrana sy ny tsy fandriam-pahalemana. Vitsy ny olona manao ny marina sy ny manara-dalàna ary ny mihaino ny feon'ny fieritreretany eo tompon'andraikitra sy ny olom-pirenena, ary tsy afenina fa tena mitaraina ny Tany... mitaraina ny mahantra... Mitaraina mafy ny tany, ny fitarainan'ny mahantra, araka ny voalazan'ny Papa Fransoa ao amin'ny Ansikilika Laudato si': "Ireo toe-javatra ireo dia mampahatezitrany farainan 'ny tany havantsika, izay miaraka amin'ny fitarainan'ireo nilaozan 'izao tontolo izao, amin'ny fitakiana iray hafa avy amintsika". Miantso manokana ireo vitabatemnyrehetra ny Papa hoe: "Ny kristianina tsy miaro ny zavaboaary, tsy mampandroso azy, dia Kristianina tsymanome lanja ny asan 'Andriamanitra, izany asa nateraky nyfitiavan'Andriamanitra antsika izany" (n° 217). justice et paix
Aoka samy ho folakevitra fa raha ny Eglizy no tsy miraharaha ny mahantra sy ny voahilika dia iza indray no bandray azy ireo? Izany no mahatonga ny Papa milaza matetika fa ny Eglizy dia tsy maintsy ho toy ny hôpitaly anivon'ny tanim-piadiana...lo adidin'ny Eglizy io no asongadin'ny Papa Fransoa ao amin'ny Laudato si' : "Ankehitriny dia tsy azontsika atao ny tsy hanaiky fa ny tenafomba fiasa ara-tontolo iainana dia manova foana ny tenany ho fomba fiasa ara-tsosialy, izay tsy maintsy mampiditra ny rariny amin 'ny fifanakalozan-kevitra momba ny tontolo iainana, mba hihainoana ny fitarainan 'ny tany sy ny fitarainan 'ny mahantra" (n° 49). Manoloana izany dia ny fampiharana ny rariny sy ny hitsiny ihany no miantoka ny fahafahan'ny Malagasy manontolo tsy ankanavaka misitraka ny harenany. Ny Redemptor hominis, nosoratan'ny Papa Joany Paoly faharoa, dia manamafy fa ny fahamendrehana sy fanajàna ny maha-olona ary ny zon'olombelona no lálana atoron'ny Eglizy hizorana aminny fampandrosoana sy ny fivoarana marina. Amafisina fa adidin'ny Eglizy ny miahy ny mahantra sy ny madinika ary ireo voahilikilikin'ny fiaraha-monina ka tsy afaka hitazam-potsiny izy na hiraviravy tanana ka izany no mahatonga azy hanentana ny rehetra handray andraikitra sy ho tompon'andraikitra. Tonga amin'ny kihon-dalana tsy azo hiodivirana isika ankehitriny amin'ny fandraisana an-tanana sy andraikitra mivantana hanovana izao zava-misy tsy ara-drariny izao.
Tsiahivina fa ny olombelona no harena voalohany indrindra noho izany dia takiana ny :
- fanovàna toe-tsaina sy fitondran-tena manoloana ny asa fitrandrahana ny harena voajanahary;
- fametrahana ho lohalaharana ny fahasalamam-bahoaka sy ny mpiasa;
- fampiharana ny lalàna indrindra ho an'ny tompon'andraikitra;
- fitsinjarana ara-drariny sy ao anatin'ny mangarahara ny harena manomboka hatrany ifotony (tamberim-bidy );
- fijerena akaiky ireo mpitrandraka madinika mba ho ara-dalàna hahazo tombotsoa ara-drariny;
- fanabeazana, fiofanana sy fampiofanana ary fampahafantarana ny lalàna sy ny zava-misy marina;
fametrahana paik'ady mazava sy asa mivaingana ho fanarenana sy fanajana ny Tranobe iombonana.
Noho izany dia ilaina ny manangana rafitra fitsinjarana andraikitra sy fahefana (décentralisation effective) hahatonga ny harena hampandroso ny olona manontolo sy ny olona rehetra. Tsarovy mandrakariva fa ny vokatra no amidy fa tsy ny soatoavina. Raha ny marina sy ny zava-misy eto Madagasikara dia laharam-pahamehana avokoa ny zavatra rehetra ary tsy misy azo tsinontsinoavina. Noho izany dia miantso antsika tsara sitrapo rehetra mba ho samy handray andraikitra araka ny tandrify azy am-pahamarinana sy am-panarahan-dalàna ka hahatsapa mandrakariva fa ny hasin'ny olombelona sy zony dia ambony lavitra noho ny zavatra hafa ary ny fanompoana ny tanindrazana dia adidy
masina tsy azo hiodivirana. Masina Maria mpanjakavavin'ny Fiadanana, mpiaro an'i Madagasikara sy Md. Joseph ary ny Olontsambatra Lucien Botovasoa anie hivavaka sy hitalaho ny famindram-pon'Andriamanitra ho antsika.
Madiorano (Toliara), 11 May 2025.
Amin'ny anaran'ny Justice et Paix rehetra manerana an'i Madagasikara.