08 febroary — I Jérôme Emilien dia teraka tao Vénétie ny taona 1481 ary nodimandry ny 08 febroary 1537 tao Somasque Lombardie. Nipoitra avy amin'ny fianakaviana avo razana sy nanan-karena i Jérôme Emilien. Tovolahy lian'ady sy ratsy fitondran-tena tokoa teo aloha, miaramila tao amin'ny tafik'i Vénétie mantsy izy tamin'izany.

Babon'ny tafiky ny Amperora tao Trévise izy ka naiditra am-ponja tao Castelnuovo, ary tamin'izay no nahitany an'i Masina Maria nanambara ny fiantsoana azy ho relijiozy. Nibebaka izy avy eo ka nilaozany ireo fananany. Lasa izy niofana ho pretra, nikarakara ny marary, ny kamboty, ireo tovovavy very fanahy ary ireo faraidiny. Ny taona 1531 izy no nanorina fikambanana pretra, hifototra amin'ireo asa fanompoana ireo, nantsoiny hoe "Somasques" moa izy ireo tamin'izany satria Somasque no anaran'ny tanana nisy ny trano voalohany. Tao ihany koa no maty i Jérôme Emilien rehefa nitsabo ireo olona voan'ny pesta nandritra ny fotoana nampihanaka izany aretina izany.

I Jérôme Emilien no nampalaza ny fampiasana ny katesizy fanontaniana sy valiny. Efa mahatratra 400 ankehitriny ny mpikambana ao amin'ny fikambanana Somasque izay manao asa parôraly ho an'ny tanora  any amin'ny paroasy ary indrindra ny fikarakarana ireo fitaizana ny zaza kamboty. Ny papa Benoît XV no nanandratra an'i Jérôme Emilien ho olontsambatra ny taona 1747 ary ny taona 1767 ny papa Clément XIII no nanandratra azy ho olomasina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...