13 febroary — Teraka tamin'ny taona 1260 tao Ornacieux (Isère) i Béatrice. Ny taona 1273 izy no niditra tao amin'ny fikambanan-drelijiozy nantsoina hoe "Chartreuse de Parménie". Taty aoriana dia nanorina trano fitokana-monina tao Eymeux izy.

Tao izy no niaina niaraka tamin'ireo mpiray fikambanana aminy hatramin'ny taona 1303. Ny 15 aprily 1869 ny papa Pie IX no nanandratra azy ho olontsambatra. Ny tahirin-kevitra nahitana ny tantarany dia izay nosoratan'i Marguerite d'Oingt tamin'ny taonjato faha-13 nampitondrainy ny lohateny "Li Via sieti Beatrix, virigina de Ornaciu".

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...