19 marsa — Ny Joseph tsaroana anio dia ilay ray mpitaiza an'i Jesoa. Tsy dia voatonona firy ny anarany ao amin'ny Baiboly, ny Evanjelin'i Masindahy Lioka sy Matio no miresaka azy rehefa milaza ny momba an'i Jesoa. Ao amin'ny Evanjelin'i Masindahy Marka dia tsy milaza hoe Joseph fa hoe mpandrafitra.

Taranak'i David i Joseph araka ny filazan'i Masindahy Lioka azy ao amin'ny toko fahatelo. Vadin'i Maria renin'i Jesoa izy araka ny fitantaran'i Matio ao amin'ny toko voalohany. Ao amin'io Evanjely io ihany koa no ahitana fa i Joseph no hanambarana ny fanirahana an'i Jesoa, izao no volaza ao : "Ry Josefa, zanak'i Davida, aza matahotra hampakatra an'i Maria vadinao, fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin'ny Fanahy Masina, ary hiteraka Zazalahy izy, ka ny anarany hataonao hoe Jesoa, fa izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany". I Joseph dia lehilahy marina ary toa ireo patriarka sy razam-ben'ny Mesia no toeram-boninahitra ametrahana azy. Nasehony ny maha ray azy, fony izy nanome anarana ilay zanak'i Maria hoe Jesoa, Mpamonjy, nilaza ny nanirahana azy. Tsy voatonona i Joseph rehefa tonga namangy ny majy, fa izy kosa no nanankinan'ny anjely ny fiarovana ny Mesia tamin'ny fikasan'i Heroda hamono azy, izay hitantsika ao amin'ny fitantaran'ny Evanjelin'i Masindahy Matio toko faharoa. Rehefa nisantatra ny asa nanirahana azy i Jesoa dia tsy voalaza intsony i Joseph afa-tsy ao amin'ny Evanjelin'i Masindahy Joany 6, 42. Tamin'io mantsy ny Jody no nimonomonina satria i Jesoa nilaza hoe : "Izaho no mofo nidina avy any an-danitra", ka hoy ireo Jody :"Moa tsy i Jesoa zanak'i Josefa va ity?"

Maro ny olona manam-pitiavana sy manaja manokana an'i Masindahy Joseph. Efa tamin'ny taonjato faha-11 no nisy ny fanajana azy tany amin'ny tany tandrefana, fa tany amin'ny taonjato faha-14 vao niseho ankarihary izany, ka ry zareo fikambanana mpangataka antsoina hoe Servites no nankalaza azy voalohany tamin'ny 19 marsa 1326. Ny papa Sixte IV no nanoratra azy tao amin'ny tetiandro romana tamin'ny taonjato faha-15 ho an'ny tandrefana. Tamin'ny taona 1621 kosa dia nambaran'ny papa Grégoire XV fa fety voadidy hohamasinina io fankalazana an'i Masindahy Joseph io. Ny 08 desambra 1870 no nasandratry ny papa Pie IX ho mpiaro ny Fiangonana izy araka ny fangatahanan'ny Konsily voalohany tao Vatikana. Ny papa Léon XIII no nanolotra azy ho mpiaro ny mpiasa sy ny raim-pianakaviana tamin'ny taona 1892. Ny fankalazana ny 01 mey kosa dia ny papa Pie XII no namorona azy ny taona 1956. Ary tamin'ny Konsily faharoa tao Vatikana  dia ny papa Jean XXIII no nanao azy ho mpiaro manokana ity Konsiliy ity, ary nanomboka tamin'izay no nampidirana ny anaran'i Masindahy Joseph ho ao amin'ny vavaka fisaorana ao amin'ny Sorona Masina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...